Maty lohataona ve? vao fonosina valovitrana
Rovi-damba ririnina tsy nomena tapa-jiafotsy
Ny taolana mbola ho rava ny nofo dia mbola hihitsana
Velona tsy olom-pantatra ve? ka maty vao Ramalala
Maty fararano ve? vao totoina ny vary rojo
Tapa-kibo fahavaratra roy tsy tsipazana fotsimbary
Ny olona tsy mitovy anie ny hendry tsy mifanojo
Ny latsalatsa-kavana roy mavesatra maharary
Karazana tany avy aiza? no mbola hitsangananao
Tsarovy fa n’aiza n’aiza mivahiny izao isika izao
Novolaina avy tamin’ny tany nizarana fofon’aina
Raha mivadika mbola ho tany ny lena dia mbola ho maina
Ny lamban' ny fitiavana roy no manendrika ka hitafio
Fa ny landy ‘zay tsara tenona ao am-pasana tsy madio
Lambamena roa sosona tsy mahasolo ny adidy tsy hefa
Tsarovy ity androm-piainanao fa masoandro mirefarefa

:-)

Category
✨
Personnes